The Bible Software
Bokin'ny Salamo · Baiboly Malagasy (1865)

Bokin'ny Salamo 146

1Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, ry fanahiko.

2Hidera an’ i Jehovah aho, raha mbola miaina koa; Eny, hankalaza an’ Andriamanitra aho, raha mbola velona koa.

3Aza matoky ny lehibe, Na ny zanak’ olombelona izay tsy mahavonjy.

4Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ ny taniny izy; Ary amin’ izay indrindra no hahafoanan’ ny fikasany.

5Sambatra izay manana an’ Andriamanitr’ i Jakoba ho Mpanampy azy Sady manantena an’ i Jehovah Andriamaniny,

6Izay nanao ny lanitra sy ny tany, Ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny, Izay mitandrina fahamarinana mandrakizay,

7Izay manome rariny ho an’ ny ampahoriana, Izay manome hanina ho an’ ny noana. Jehovah mamaha ny mpifatotra;

8Jehovah mampahiratra ny jamba Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehovah tia ny marina;

9Jehovah miaro ny vahiny Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena, Fa mamadika ny lalan’ ny ratsy fanahy kosa.

10Manjaka mandrakizay Jehovah, Hatramin’ ny taranaka fara mandimby Andriamanitrao, ry Ziona. Haleloia.

← Bokin'ny Salamo 145Read In The App, Free →Bokin'ny Salamo 147 →

Study Bokin'ny Salamo 146

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschCharles SpurgeonScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

123456789101112131415161718192021222324252627282930313233343536373839404142434445464748495051525354555657585960616263646566676869707172737475767778798081828384858687888990919293949596979899100101102103104105106107108109110111112113114115116117118119120121122123124125126127128129130131132133134135136137138139140141142143144145146147148149150