Bokin'ny Salamo 147:10
Tsy ny herin’ ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
He delighteth not in the strength of the horse: he taketh not pleasure in the legs of a man.
In Context
9Manome hanina ho an’ ny biby Izy Sy ho an’ ny zana-goaika izay mitaraina.
11Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony.
Read all of Bokin'ny Salamo 147
Cross References
2 Samuel 1:23Saoly sy Jonatana, izay tiana sady mahate-ho-tia fony fahavelony, dia tsy nosarahina na dia tamin’ ny nahafatesany aza; Faingana noho ny voromahery izy ary mahery noho ny liona.
Job 39:11Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao?
Psalms 20:7Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin’ ny lanitry ny fahamasinany Izy amin’ ny herin’ ny famonjen’ ny tànany ankavanana.
Proverbs 21:31Voaomana ny soavaly ho amin’ ny andro iadiana; Fa an’ i Jehovah ihany ny fandresena.
Isaiah 31:1Lozan’ izay midìna any Egypta hitady famonjena sy miantehitra amin’ ny soavaly ary matoky ny kalesy, satria maro ireny, sy ny mpitaingin-tsoavaly, satria mahery dia mahery ireny, fa tsy manandrandra ny Iray Masin’ ny Isiraely, na mitady an’ i Jehovah.