The Bible Software
Bokin'ny Salamo · Baiboly Malagasy (1865)

Bokin'ny Salamo 148

1Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, ry any an-danitra; Miderà Azy any ambony.

2Miderà Azy, ry anjeliny rehetra; Miderà Azy, ry miaramilany rehetra.

3Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.

4Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra, Ary ianareo rano ambonin’ ny lanitra.

5Aoka hidera ny anaran’ i Jehovah ireo; Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.

6Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy; Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra.

7Midera an’ i Jehovah etỳ an-tany, Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra,

8Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona, Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny,

9Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra, Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,

10Ny bibi-dia sy ny biby fiompy rehetra, Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina,

11Ny mpanjaka amin’ ny tany sy ny vahoaka rehetra, Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin’ ny tany,

12Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy, Na ny antitra, na ny tanora,

13Samia midera ny anaran’ i Jehovah avokoa, Fa ny anarany ihany no misandratra; Ambonin’ ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.

14Ary manandratra tandroka ho an’ ny olony Izy, Dia fiderana ho an’ ny olony masìna rehetra, Eny, ho an’ ny Zanak’ Isiraely, firenena akaiky Azy. Haleloia.

← Bokin'ny Salamo 147Read In The App, Free →Bokin'ny Salamo 149 →

Study Bokin'ny Salamo 148

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschCharles SpurgeonScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

123456789101112131415161718192021222324252627282930313233343536373839404142434445464748495051525354555657585960616263646566676869707172737475767778798081828384858687888990919293949596979899100101102103104105106107108109110111112113114115116117118119120121122123124125126127128129130131132133134135136137138139140141142143144145146147148149150