Bokin'ny Salamo 17:9
Mba tsy ho azon’ ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
From the wicked that oppress me, from my deadly enemies, who compass me about.
In Context
8Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin’ ny aloky ny elatrao,
10Efa mihirim-belona izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany.
Read all of Bokin'ny Salamo 17
Cross References
1 Samuel 23:26Ary Saoly nandeha tamin’ ny ilan’ ny tendrombohitra iray, fa Davida sy ny olony tamin’ ny ilany kosa; ary niezaka mafy handositra Davida noho ny tahony an’ i Saoly; fa Saoly sy ny olony saiky nahodidina an’ i Davida sy ny olony hisambotra azy.
1 Chronicles 17:9Ary hifidy tany ho an’ ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin’ ny fonenany izy ka tsy hanana ahiahy intsony, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny tany aloha
Psalms 31:20Akory re ny haben’ ny zava-tsoanao voarakitrao ho an’ ny matahotra Anao! dia izay nataonao teo anatrehan’ ny zanak’ olombelona ho an’ izay mialoka aminao!
Psalms 35:7Fa tsy ahoan-tsy ahoana no nanaovany fandri-totofana hahazoany ahy; tsy ahoan-tsy ahoana no nandavahany hamandrihany ny aiko.