Bokin'ny Salamo 20:3
Hahatonga famonjena ho anao avy amin’ ny fitoerana masìna anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Remember all thy offerings, and accept thy burnt sacrifice; Selah.
In Context
4Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao. [Sela.]
Read all of Bokin'ny Salamo 20
Cross References
Genesis 4:4fa nitondran’ i Abela kosa ny voalohan-terak’ ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an’ i Abela mbamin’ ny fanatiny;
1 Chronicles 21:26Ary Davida nanorina alitara teo ho an’ i Jehovah ka nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; dia niantso an’ i Jehovah izy ka novaliany tamin’ ny afo avy tany an-danitra, izay latsaka teo amin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.
Psalms 51:19Ny fanatitra ho an’ Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.
Psalms 134:3Hitahy anao avy ao Ziona anie Jehovah Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Acts 10:4Ary nony nibanjina azy izy, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Ahoana, Tompoko? Ary izy nanao taminy hoe: Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan’ Andriamanitra.
1 Peter 2:5ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masìna, hanatitra fanati-panahy sitrak’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy.