The Bible Software
Bokin'ny Salamo · Baiboly Malagasy (1865)

Bokin'ny Salamo 24

1Salamo nataon’ i Davida. An’ i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.

2Fa Izy no nanorina azy tambonin’ ny ranomasina. Tambonin’ ny rano no nampitoerany azy.

3Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin’ ny fitoerany masìna?

4Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ ny lainga, na mianiana hamitaka.

5Handray fitahiana avy amin’ i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin’ Andriamanitry ny famonjena azy.

6Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba. [Sela.]

7Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ ny mpanjakan’ ny voninahitra.

8Iza izao Mpanjakan’ ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery.

9Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola, mba hidiran’ ny Mpanjakan’ ny voninahitra.

10Iza ary izao Mpanjakan’ ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon’ ny maro, Izy no Mpanjakan’ ny voninahitra. [Sela.]

← Bokin'ny Salamo 23Read In The App, Free →Bokin'ny Salamo 25 →

Study Bokin'ny Salamo 24

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschCharles SpurgeonScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

123456789101112131415161718192021222324252627282930313233343536373839404142434445464748495051525354555657585960616263646566676869707172737475767778798081828384858687888990919293949596979899100101102103104105106107108109110111112113114115116117118119120121122123124125126127128129130131132133134135136137138139140141142143144145146147148149150