Bokin'ny Salamo 25:10
Ny lalan’ i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin’ izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
All the paths of the LORD are mercy and truth unto such as keep his covenant and his testimonies.
In Context
9Mitarika ny mpandefitra amin’ ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
11Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.
Read all of Bokin'ny Salamo 25
Cross References
Genesis 5:24Ary niara-nandeha tamin’ Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin’ Andriamanitra.
Genesis 24:27ary nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin’ ny tompoko; fa izaho dia notantanan’ i Jehovah teny an-dalana ho atỳ an-tranon’ ny havan’ ny tompoko.
2 Samuel 15:20Fa vao omaly no nahatongavanao, ka anio va dia ho entiko manjenjena hiaraka aminay ianao? fa mandeha ho any amin’ izay azoko aleha aho, koa miverena ihany ianao, ary ento hiara-miverina aminao koa ny rahalahinao; ho aminao anie ny famindram-po sy ny fahamarinana.
Psalms 24:4Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ ny lainga, na mianiana hamitaka.
Psalms 33:4Fa mahitsy ny tenin’ i Jehovah, ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.
Psalms 40:11Ny fahamarinanao tsy mba nafeniko tato am-poko; ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy nanafina ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao tamin’ ny fiangonana lehibe aho.