Bokin'ny Salamo 25:12
Iza no lehilahy matahotra an’ i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
What man is he that feareth the LORD? him shall he teach in the way that he shall choose.
In Context
11Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.
13Ny fanahiny hitoetra amin’ ny soa; ary ny taranany handova ny tany.
Read all of Bokin'ny Salamo 25
Cross References
Genesis 26:2Ary Jehovah niseho taminy ka nanao hoe: Aza midìna any Egypta ianao; mitoera eo amin’ ny tany izay holazaiko aminao.
Joshua 3:4(kanefa asio elanelany, tokony ho roa arivo hakiho, aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy), mba ho fantatrareo ny lalana izay mety halehanareo; fa tsy mbola nalehanareo akory izao lalana izao.
Psalms 32:8Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.
Psalms 111:10Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan’ izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Proverbs 2:5Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’ i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an’ Andriamanitra.
Proverbs 15:33Ny fahatahorana an’ i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.