Bokin'ny Salamo 27:3
Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 27
Cross References
1 Samuel 28:15Ary hoy Samoela tamin’ i Saoly: Nahoana no korontaninao aho ka ampiakarinao? Dia hoy Saoly: Tery loatra aho, fa miady amiko ny Filistina, ary Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy mamaly teny ahy intsony, na amin’ ny mpaminany, na amin’ ny nofy; koa izany no nampanalako anao mba hampahalalanao ahy izay hataoko.
2 Chronicles 20:15ka nanao hoe: Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary ianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain’ i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an’ Andriamanitra.
Psalms 3:6Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy. [Sela.]
Psalms 52:6Ny teny mandripaka rehetra no tianao, ry lela mamitaka.
Isaiah 41:11Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona izy; Eny, ho levona izay miady aminao.
Romans 8:35Iza no hahasaraka antsika amin’ ny fitiavan’ i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?