The Bible Software
Bokin'ny Salamo · Baiboly Malagasy (1865)

Bokin'ny Salamo 3

1Salamo nataon’ i Davida, fony izy nandositra an’ i Absaloma zanany.

2Jehovah ô, akory izato hamaroan’ ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy.

3Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin’ Andriamanitra izy. [Sela.]

4Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.

5Amin’ ny feoko no iantsoako an’ i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masìna no mamaly ahy Izy.

6Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy. [Sela.]

7Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.

8Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin’ ny ratsy fanahy novakivakinao.

9An’ i Jehovah ny famonjena; Ho amin’ ny olonao anie ny fitahianao. [Sela.]

← Bokin'ny Salamo 2Read In The App, Free →Bokin'ny Salamo 4 →

Study Bokin'ny Salamo 3

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschCharles SpurgeonScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

123456789101112131415161718192021222324252627282930313233343536373839404142434445464748495051525354555657585960616263646566676869707172737475767778798081828384858687888990919293949596979899100101102103104105106107108109110111112113114115116117118119120121122123124125126127128129130131132133134135136137138139140141142143144145146147148149150