The Bible Software
Bokin'ny Salamo · Baiboly Malagasy (1865)

Bokin'ny Salamo 30

1Salamo. Fihirana tamin’ ny nitokanana ny trano. Nataon’ i Davida.

2Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian’ ny fahavaloko aho.

3Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.

4Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin’ ny fiainan-tsi-hita Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan’ izay midìna any an-davaka aho.

5Mankalazà an’ i Jehovah, ry olony masìna, ka miderà ny anarany masìna.

6Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.

7Ary hoy izaho, raha mbola niadana: tsy hangozohozo mandrakizay aho.

8Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho.

9Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:

10Inona no soa azo amin’ ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?

11Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.

12Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,

13Mba hankalazan’ ny fanahiko Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.

← Bokin'ny Salamo 29Read In The App, Free →Bokin'ny Salamo 31 →

Study Bokin'ny Salamo 30

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschCharles SpurgeonScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

123456789101112131415161718192021222324252627282930313233343536373839404142434445464748495051525354555657585960616263646566676869707172737475767778798081828384858687888990919293949596979899100101102103104105106107108109110111112113114115116117118119120121122123124125126127128129130131132133134135136137138139140141142143144145146147148149150