Bokin'ny Salamo 31:12
Noho ny ataon’ ny fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho, eny, na dia amin’ ny namako aza, sady atahoran’ ny olom-pantatro aho; izay mahita ahy eny ivelany mandositra ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
I am forgotten as a dead man out of mind: I am like a broken vessel.
In Context
13Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.
Read all of Bokin'ny Salamo 31
Cross References
Job 19:14Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy.
Psalms 38:12Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny.
Psalms 89:52Dia ny nandatsan’ ny fahavalonao, Jehovah ô, Eny, ny nandatsany ny dian’ ny voahosotrao.
Isaiah 30:14Ary hovakivakina izy tahaka ny fahavakivakin’ ny vilanin’ ny mpanefy tanimanga, raha montsamontsaniny ka tsy itondrany roa; Koa rehefa montsamontsana izy, dia tsy hisy vakiny ho azo atao fangalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano aza.
Romans 9:21Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin’ ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona?