Bokin'ny Salamo 44:3
Ny tananao no nandroahanao ny firenen-tsamy hafa, fa izy kosa nampitoerinao; efa nampahorinao ny firenena maro, fa izy kosa nataonao mahafeno tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 44
Cross References
Exodus 15:16Mahazo azy ny tahotra sy ny hovitra; Noho ny halehiben’ ny sandrinao dia mangìna tahaka ny vato izy, mandra-pandalon’ ny olonao, Jehovah ô, mandra-pandalon’ny olona izay navotanao.
Deuteronomy 4:37Ary satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany mandimby azy, dia Izy no nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny heriny lehibe,
Deuteronomy 8:17ary andrao ianao hanao anakampo hoe: Ny tanjako sy ny herin’ ny tanako no nahavoriako izao harena izao;
Joshua 3:10Dia hoy Josoa: Izao no hahafantaranareo fa eo aminareo Andriamanitra velona, ka horoahiny eo alohanareo tokoa ny Kananita sy ny Hetita sy ny Hivita sy ny Perizita sy ny Girgasita sy ny Amorita ary ny Jebosita:
1 Samuel 12:22Fa Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe, satria sitrak’ i Jehovah ny nanaovany anareo ho olony.
2 Chronicles 20:7Ry Andriamanitray ô, tsy Hianao va no nandroaka ny mponina tamin’ ity tany ity hiala teo anoloan’ ny Isiraely olonao ka nanome azy mandrakizay ho an’ ny taranak’ i Abrahama sakaizanao?