Bokin'ny Salamo 45:15
Mitafy lamba misoratsoratra izy ka entina ho ao amin’ ny mpanjaka: ny zazavavy sakaizany izay manaraka azy dia entina ao aminao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
With gladness and rejoicing shall they be brought: they shall enter into the king’s palace.
In Context
14Be voninahitra ny zanakavavin’ ny mpanjaka ao anaty trano; tenona misy volamena no fitafiany.
16Entina amin’ ny fifaliana sy ny firavoravoana ireny; hiditra ao an-dapan’ ny mpanjaka izy.
Read all of Bokin'ny Salamo 45
Cross References
Isaiah 35:10Eny, ny navotan’ i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
Isaiah 55:12Fa amin’ ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin’ ny fiadanana no hitondrana anareo; ny tendrombohitra sy ny havoana hahavelona hoby eo alohanareo, ary ny hazo rehetra any an-tsaha hitehatanana.
Isaiah 60:19Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran’ ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao.
Ezekiel 16:10Notafiako lamba misoratsoratra koa ianao sy nokiraroako hoditakasy, ary nampisikiniko rongony fotsy madinika sy notafiako amparasily.
Jude 1:24Ary ho an’ izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ ny voninahiny amin’ ny firavoravoana,
Revelation 3:21Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin’ ny Raiko eo ambonin’ ny seza fiandrianany.