Bokin'ny Salamo 46:4
Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany. [Sela.]
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan’ Andriamanitra, Fonena-masin’ ny Avo Indrindra.
Read all of Bokin'ny Salamo 46
Cross References
Deuteronomy 12:11dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrareo hampitoerany ny anarany no hitondranareo izay rehetra andidiako anareo, dia ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo, ary izay zavatra tsara ataonareo voady amin’ i Jehovah.
Psalms 23:2Mampandry ahy amin’ ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron’ ny rano fialan-tsasatra Izy.
Psalms 43:3Ampandehano ny fahazavanao sy ny fahamarinanao; aoka hitarika ahy ireo ka hitondra ahy ho any an-tendrombohitrao masìna, dia ho any amin’ ny tabernakelinao.
Psalms 48:8Amin’ ny rivotra avy any atsinanana no namakianao ny sambon’ i Tarsisy.
Psalms 87:3Zava-malaza no anambarana anao Ry tanànan’ Andriamanitra. [Sela.]
Psalms 92:1Salamo. Tonon-kira hatao amin’ ny andro Sabata.