Bokin'ny Salamo 49:10
Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin’ ny lavaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9(Fa sarotra avotra ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay),
Read all of Bokin'ny Salamo 49
Cross References
Psalms 17:14Vonjeo amin’ ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon’ ny olon’ izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin’ izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an’ ny zanany madinika.
Psalms 49:17Aza matahotra ianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony;
Psalms 89:49Iza no olona ho velona tsy hahita fahafatesana, Fa hamonjy ny fanahiny tsy ho azon’ ny tanan’ ny fiainan-tsi-hita? [Sela.]
Psalms 94:8Mahalalà ianareo olona ketrina; Ary ianareo adala, rahoviana re no mba ho hendry ianareo?
Proverbs 12:1Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby.
Proverbs 30:2Izaho dia biby, fa tsy olona, Ary tsy manan-tsain’ olombelona aho.