Bokin'ny Salamo 5:4
Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For thou art not a God that hath pleasure in wickedness: neither shall evil dwell with thee.
In Context
3Henoy ny feon’ ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô; fa Hianao no ivavahako.
5Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy.
Cross References
1 Chronicles 29:17Ary fantatro, ry Andriamanitro ô, fa Hianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia amin’ ny hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ary ankehitriny efa hitako tamin’ ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao.
Psalms 50:21Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho! Hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao.
Psalms 88:14Fa raha izaho, dia Hianao no itarainako, Jehovah ô; Ary ny fivavako tonga eo anatrehanao nony maraina.
Psalms 94:20Hikambana aminao va ny seza fiandrianan’ ny ratsy, Izay misaina fampahoriana manohitra ny lalàna?
Psalms 140:13Fantatro fa Jehovah no handahatra ny tenin’ ny mahantra Sady hanome rariny ho an’ ny malahelo.
Malachi 2:17Efa manasatra an’ i Jehovah amin’ ny teninareo ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin’ inona moa no anasaranay Azy? Amin’ ny fanaovanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’ i Jehovah ka ankasitrahany, na amin’ ny hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana?