Bokin'ny Salamo 50:1
Salamo nataon i Asafa. Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, no miteny ka miantso ny tany hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy, no amirapiratan’ Andriamanitra.
Read all of Bokin'ny Salamo 50
Cross References
Joshua 22:22Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah eny Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah, Izy no mahalala, ary ny Isiraely hahalala koa; raha fiodinana na fahadisoana amin’ i Jehovah (aza mba mamonjy anay akory Hianao anio),
1 Kings 18:36Ary nony tamin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah ô. Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin’ ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao.
1 Chronicles 15:17Ka dia notendren’ ny Levita Hemana, zanak’ i Joela; ary tamin’ ny rahalahiny dia Asafa, zanak’ i Berekia; ary tamin’ ny taranak’ i Merary rahalahiny dia Etana, zanak’ i Kosaia;
1 Chronicles 25:2Tamin’ ny zanakalahin’ i Asafa dia Zakora sy Josefa sy Netania ary Asarela, zanak’ i Asafa, nofehezin’ i Asafa, izay naminany araka izay nifehezan’ ny mpanjaka azy.
2 Chronicles 29:30Ary Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka nampihira ny Levita hidera an’ i Jehovah tamin’ ny teny namboarin’ i Davida sy Asafa mpahita. Ary nihira fiderana tamin’ ny hafaliana izy, dia niondrika sy niankohoka.
Nehemiah 9:32Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Andriamanitra lehibe sady mahery no mahatahotra, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao, aoka tsy ho kely eo imasonao ny fahoriana rehetra izay nanjo anay, dia ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay sy ny mpaminaninay ary ny razanay, dia ny olonao rehetra, hatramin’ ny andron’ ireo mpanjakan’ i Asyria ka mandraka androany.