The Bible Software
Bokin'ny Salamo · Baiboly Malagasy (1865)

Bokin'ny Salamo 56

1Ho an’ ny mpiventy hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama nataon’ i Davida, fony nisambotra azy tany Gata ny Filistina.

2Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.

3Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko.

4Amin’ ny andro atahorako no itokiako Anao.

5Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny nofo amiko?

6Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.

7Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko.

8Amin’ izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va? Aripaho amin’ ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.

9Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin’ ny bokinao va ireny?

10Amin’ izay dia hiamboho ny fahavaloko amin’ ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra.

11Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny.

12Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon’ ny olona amiko?

13Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.

14Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin’ ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ ny fahazavan’ ny velona.

← Bokin'ny Salamo 55Read In The App, Free →Bokin'ny Salamo 57 →

Study Bokin'ny Salamo 56

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschCharles SpurgeonScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

123456789101112131415161718192021222324252627282930313233343536373839404142434445464748495051525354555657585960616263646566676869707172737475767778798081828384858687888990919293949596979899100101102103104105106107108109110111112113114115116117118119120121122123124125126127128129130131132133134135136137138139140141142143144145146147148149150