The Bible Software
Bokin'ny Salamo · Baiboly Malagasy (1865)

Bokin'ny Salamo 57

1Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon’ i Davida tamin’ ny nandosirany an’ i Saoly tao anaty zohy.

2Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan’ ny fanahiko; eny, ao amin’ ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan’ ny loza.

3Hitaraina amin’ Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin’ Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy.

4Haniraka avy any an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy. [Sela.] Eny, Andriamanitra haniraka ny famindram-pony sy ny fahamarinany.

5Ny fanahiko dia eo afovoan’ ny liona; handry eo amin’ ny masiaka aho, dia eo amin’ ny zanak’ olombelona,― lefona sy zana-tsipìka ny nifiny, ary sabatra maranitra ny lelany.

6Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô! aoka ho ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao.

7Efa namela-pandrika harato haningotra ny diako izy, ary nampitanondrika ny fanahiko; nihady lavaka teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny. [Sela.]

8Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho.

9Mifohaza, ry voninahitro; mifohaza ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho.

10Hidera Anao eny amin’ ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin’ ny firenena aho.

11Fa lehibe mihatra amin’ ny lanitra ny famindram-ponao, ary mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao.

12Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; aoka ho ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao.

← Bokin'ny Salamo 56Read In The App, Free →Bokin'ny Salamo 58 →

Study Bokin'ny Salamo 57

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschCharles SpurgeonScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

123456789101112131415161718192021222324252627282930313233343536373839404142434445464748495051525354555657585960616263646566676869707172737475767778798081828384858687888990919293949596979899100101102103104105106107108109110111112113114115116117118119120121122123124125126127128129130131132133134135136137138139140141142143144145146147148149150