The Bible Software
Bokin'ny Salamo · Baiboly Malagasy (1865)

Bokin'ny Salamo 59

1Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon’ i Davida, fony Saoly naniraka, ka nisy niambina ny trano hamonoana azy.

2Afaho amin’ ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; asondroty eo amin’ ny avo aho tsy ho azon’ izay miodina amiko.

3Afaho amin’ ny mpanao ratsy aho, ary vonjeo amin’ ny mpandatsa-drà.

4Fa, indro, manotrika hahazo ny aiko izy; miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô.

5Tsy heloko no ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza hitsena ahy, ka jereo.

6Ary Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, mifohaza hitsara ny firenen-tsamy hafa; aza mamindra fo amin’ izay mpivadika ratsy fanahy. [Sela.]

7Miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran’ ny tanàna.

8Indro, mirezadrezatra amin’ ny vavany izy; sabatra no eo amin’ ny molony, fa iza, hono, no handre?

9Kanjo Hianao, Jehovah ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny firenena rehetra.

10Koa noho ny herin’ ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy.

11Andriamanitra, Izay mamindra fo amiko, no hialoha ahy; hataon’ Andriamanitra faly mijery ny amin’ ny fahavaloko aho.

12Aza mahafaty azy Hianao, fandrao hanadino izany ny fireneko. Ampirenireneo amin’ ny herinao izy, ka aripaho, ry Tompo ô, Ampinganay.

13Ny fahotan’ ny vavany dia ny tenin’ ny molony; aoka hosamborina amin’ ny fireharehany izy, eny, noho ny ozona sy ny lainga ataony.

14Aringano an-katezerana izy, aringano mba tsy ho ao intsony; ary aoka ho fantany fa Andriamanitra no manapaka eo amin’ ny Jakoba ka hatramin’ ny faran’ ny tany. [Sela.]

15Ary miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran’ ny tanàna.

16Miriorio mitady hanina izy; raha tsy voky izy, dia any ihany mandritra ny alina.

17Fa izaho kosa dia hihira ny herinao, ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina, satria fiarovana avo ho ahy Hianao, ary fandosirako amin’ ny andro fahoriana.

18Ry Heriko ô, Hianao no hankalazaiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra Izay mamindra fo amiko.

← Bokin'ny Salamo 58Read In The App, Free →Bokin'ny Salamo 60 →

Study Bokin'ny Salamo 59

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschCharles SpurgeonScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

123456789101112131415161718192021222324252627282930313233343536373839404142434445464748495051525354555657585960616263646566676869707172737475767778798081828384858687888990919293949596979899100101102103104105106107108109110111112113114115116117118119120121122123124125126127128129130131132133134135136137138139140141142143144145146147148149150