Bokin'ny Salamo 59:13
Ny fahotan’ ny vavany dia ny tenin’ ny molony; aoka hosamborina amin’ ny fireharehany izy, eny, noho ny ozona sy ny lainga ataony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 59
Cross References
Numbers 32:13Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nampirenireny azy tany an-efitra efa-polo taona Izy mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason’ i Jehovah.
Deuteronomy 7:22Ary horoahin’ i Jehovah Andriamanitrao eo alohanao tsikelikely ireny firenena ireny; tsy haharoaka azy faingana ianao, fandrao hihamaro ny bibi-dia ka hamely anao.
1 Kings 18:36Ary nony tamin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah ô. Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin’ ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao.
Psalms 7:9Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny.
Psalms 46:10Mampitsahatra ady hatramin’ ny faran’ ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin’ ny afo.
Psalms 64:9Apotrany izy ka voasingotra ny lelany ihany; mandositra izay rehetra mahita azy.