The Bible Software
Bokin'ny Salamo · Baiboly Malagasy (1865)

Bokin'ny Salamo 61

1Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Nataon’ i Davida.

2Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny fivavako.

3Any am-paran’ ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin’ ny vatolampy izay avo ka tsy tratro;

4Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo.

5Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin’ ny fanomban’ ny elatrao aho,

6Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan’ izay matahotra ny anaranao.

7Halavao ny andron’ ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro.

8Aoka hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no tendreo hiaro azy;

9Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan’ andro ny voadiko.

← Bokin'ny Salamo 60Read In The App, Free →Bokin'ny Salamo 62 →

Study Bokin'ny Salamo 61

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschCharles SpurgeonScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

123456789101112131415161718192021222324252627282930313233343536373839404142434445464748495051525354555657585960616263646566676869707172737475767778798081828384858687888990919293949596979899100101102103104105106107108109110111112113114115116117118119120121122123124125126127128129130131132133134135136137138139140141142143144145146147148149150