Bokin'ny Salamo 65:13
Vonton-drano ny fiandrasana ondry any an-efitra, ary misikìna fifaliana ny havoana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Satrohanao voninahitra ny taona fitahianao; ary ny dianao mitete menaka.
14Rakotra ondry ny saha; ary voasarona vary ny lohasaha: mihoby izy, eny, mihira koa.
Read all of Bokin'ny Salamo 65
Cross References
Psalms 72:16Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon’ ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin’ ny tany.
Psalms 98:7Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
Psalms 104:24Endrey ny hamaroan’ ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany.
Isaiah 30:23Ary dia hanome ranonorana ho an’ ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; Ary amin’ izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny amin’ ny tany malalaka;
Isaiah 35:10Eny, ny navotan’ i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
Isaiah 49:13Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin’ ny olony mahantra.