Bokin'ny Salamo 69:21
Ny latsa dia nanorotoro ny foko ka reraka indrindra aho; ary niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony fa tsy nahita.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
They gave me also gall for my meat; and in my thirst they gave me vinegar to drink.
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 69
Cross References
Deuteronomy 29:18ary raha ren’ izany olona izany ny tenin’ ity fanozonana ity, dia hiarahaba tena ao am-pony izy ka hanao hoe: Hanam-piadanana aho, fa hanaraka ny ditry ny foko, handringanana ny leony mbamin’ ny mangetaheta.
Jeremiah 8:14Nahoana isika no mbola mipetra-poana? Mivoria ianareo, ka andeha isika hiditra any an-tanàna mimanda, ka dia ho faty ao; fa Jehovah Andriamanitra efa nanendry antsika ho faty ka nanome rano mangidy hosotrointsika Noho ny nanotantsika tamin’ i Jehovah.
Jeremiah 23:15Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ny amin’ ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy sy hampisotroiko rano mangidy, satria avy tamin’ ny mpaminanin’ i Jerosalema no nivoahan’ ny faharatsiana ho any amin’ ny tany rehetra.
Lamentations 1:9Ny lotony dia teo amin’ ny moron-tongotr’ akanjony, tsy nitsapa farany izy; Dia mahagaga ny fietreny, tsy misy mampionona azy. Jehovah ô, jereo ny fahoriako, fa mirehareha ny fahavalo.
Matthew 27:48Ary niaraka tamin’ izay ny anankiray teo aminy dia nihazakazaha ka nandray sipaonjy, ary rehefa natsobony tamin’ ny vinaingitra izany ka notohiziny tamin’ ny volotara, dia natohony hotsentsefin’ i Jesosy.
Mark 15:36Ary ny anankiray nihazakazaka, dia nanatsoboka sipaonjy tamin’ ny vinaingitra, ka notohiziny tamin’ ny volotara, dia natohony hotsentsefin’ i Jesosy, fa hoy izy: Aoka ho hizahantsika, na ho avy hampidina Azy Elia, na tsia.