Bokin'ny Salamo 7:2
Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin’ izay rehetra manenjika ahy, ka afaho;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Lest he tear my soul like a lion, rending it in pieces, while there is none to deliver.
In Context
1Sigaiona nataon’ i Davida, izay nohirainy ho an’ i Jehovah noho ny tenin’ i Kosy Benjamita.
3Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon’ ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy.
Cross References
Deuteronomy 33:20Ary ny amin’ i GADA dia hoy Izy; Isaorana anie Izay manome malalaka ho an’ i Gada; Mamitsaka tahaka ny liom-bavy izy Ka mamiravira ny sandry mbamin’ ny tampon-doha.
2 Samuel 14:6Ary izaho mpanompovavinao nanan-janaka roa lahy, ary nifanditra tany an-tsaha izy mirahalahy, ka tsy nisy nampisaraka azy, ary ny anankiray namely ny rahalahiny ka nahafaty azy.
Psalms 10:9Manotrika ao an-katakonana tahaka ny liona ao amin’ ny famitsahany izy; manotrika hisambotra ny malahelo izy; fandrihany amin’ ny haratony no fisambony ny malahelo.
Psalms 16:1Miktama nataon’ i Davida. Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho.
Psalms 22:13Mitangorona amiko ireo ombilahy be, ny maherin’ i Basana manemitra ahy.
Psalms 35:15Nefa nony ho lavo kosa aho, dia faly izy ireo ka niangona; olona faraidina no nitangorona hamely ahy, nefa tsy fantatro; namiravira izy ka tsy mba nitsahatra;