Bokin'ny Salamo 71:18
Koa mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin’ ny taranaka sy ny asanao lehibe amin’ izay rehetra mbola ho avy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 71
Cross References
Exodus 13:8Dia hambaranao amin’ ny zanakao amin’ izany andro izany hoe: Noho ny nataon’ i Jehovah tamiko tamin’ ny nivoahako avy tany Egypta no anaovako izao.
1 Samuel 4:15Ary efa valo amby sivi-folo taona Ely tamin’ izay, sady efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy.
1 Chronicles 29:10Koa dia nisaotra an’ i Jehovah teo anatrehan’ ny fiangonana rehetra Davida ka nanao hoe: Isaorana anie Hianao, Jehovah ô, Andriamanitr’ Isiraely razanay, hatramin’ ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
Psalms 48:14Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon’ andrianany, mba hambaranareo amin’ ny taranaka mandimby.
Psalms 78:4Dia tsy mba hafenintsika amin’ ny zanany; fa hambarantsika amin’ ny taranaka ho avy ny fiderana an’ i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony.
Psalms 145:4Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin’ izay mandimby azy Sy hanambara ny asanao lehibe.