The Bible Software
Bokin'ny Salamo · Baiboly Malagasy (1865)

Bokin'ny Salamo 75

1Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Salamo nataon’ i Asafa. Tonon-kira.

2Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona.

3Fa ho avy tokoa amin’ ny fotoana Aho; eny, Izaho no hitsara marina.

4Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny. [Sela.]

5Hoy izaho tamin’ ny mpirehareha: aza mirehareha, ary tamin’ ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka;

6Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin’ ny fahamafian-katoka.

7Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana.

8Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.

9Fa misy kapoaka eo an-tànan’ i Jehovah, feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany dia hitroka ny faikany.

10Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an’ Andriamanitr’ i Jakoba.

11Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.

← Bokin'ny Salamo 74Read In The App, Free →Bokin'ny Salamo 76 →

Study Bokin'ny Salamo 75

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschCharles SpurgeonScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

123456789101112131415161718192021222324252627282930313233343536373839404142434445464748495051525354555657585960616263646566676869707172737475767778798081828384858687888990919293949596979899100101102103104105106107108109110111112113114115116117118119120121122123124125126127128129130131132133134135136137138139140141142143144145146147148149150