Bokin'ny Salamo 78:13
Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny antontan-javatra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
He divided the sea, and caused them to pass through; and he made the waters to stand as an heap.
In Context
14Ary ny rahona no nitondrany azy raha antoandro, sy afo mahazava nony alina.
Read all of Bokin'ny Salamo 78
Cross References
Exodus 14:1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Exodus 14:22Dia nandeha teo afovoan’ ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak’ Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
Exodus 15:8Ary ny fofonain’ ny vavoronao no nanangonanao ny rano; nivongovongo toy ny antontan-javatra ny rano maria; nandry teo afovoan’ ny ranomasina ny lalina.
Joshua 3:16dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, dia terỳ amin’ ny tanàna Adama, izay eo anilan’ i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin’ ny ranomasin’ ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin’ i Jeriko.
Psalms 66:6Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin’ Andriamanitra.
Psalms 136:13Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),