Bokin'ny Salamo 78:20
Indro, namely ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va Izy? Mahatonga hena ho an’ ny olony va Izy?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Salamo 78
Cross References
Exodus 17:6Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin’ ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin’ ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason’ ny loholon’ ny Isiraely.
Numbers 11:18Koa lazao amin’ ny olona hoe: Manamasìna ny tenanareo ho amin’ ny ampitso, dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo anatrehan’ i Jehovah ianareo ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hanome hena hohaninay! fa soa no hitanay tany Egypta; dia homen’ i Jehovah hena ianareo, ka hohaninareo.
Numbers 20:11Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin’ ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.