The Bible Software
Bokin'ny Salamo · Baiboly Malagasy (1865)

Bokin'ny Salamo 85

1Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ ny Koraïta.

2Jehovah ô, efa naneho fitia tamin’ ny taninao Hianao, Efa nampodinao Jakoba avy tamin’ ny fahababoany.

3Voaisotrao ny heloky ny olonao, Voasaronao ny fahotany rehetra. [Sela.]

4Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Hianao, Ary niala tamin’ ny fahatezeranao mirehitra.

5Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay.

6Ho tezitra aminay mandrakizay va Hianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va ny fahatezeranao?

7Tsy hovelominao indray va izahay, Mba hifalian’ ny olonao aminao?

8Asehoy anay ny famindram-ponao, Jehovah ô, Ka omeo anay ny famonjenao.

9Hihaino izay holazain’ i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin’ ny olony Izy, dia amin’ ny olony masìna; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin’ ny fahadalana ireo.

10Eny tokoa, akaikin’ izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran’ ny voninahitra eo amin’ ny tanintsika.

11Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana.

12Ny fahamarinana mitsimoka amin’ ny tany; Ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra.

13Eny, Jehovah hanome ny tsara Ary ny tanintsika hahavoka-javatra.

14Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.

← Bokin'ny Salamo 84Read In The App, Free →Bokin'ny Salamo 86 →

Study Bokin'ny Salamo 85

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschCharles SpurgeonScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

123456789101112131415161718192021222324252627282930313233343536373839404142434445464748495051525354555657585960616263646566676869707172737475767778798081828384858687888990919293949596979899100101102103104105106107108109110111112113114115116117118119120121122123124125126127128129130131132133134135136137138139140141142143144145146147148149150