Bokin'ny Salamo 89:13
Ny avaratra sy ny atsimo. Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian’ i Tabara sy Hermona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Thou hast a mighty arm: strong is thy hand, and high is thy right hand.
In Context
14Manan-tsandry mahery Hianao; Mahery ny tananao, avo ny tananao ankavanana.
Read all of Bokin'ny Salamo 89
Cross References
Judges 4:6Ary Debora naniraka ka niantso an’ i Baraka, zanak’ i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin’ ny taranak’ i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao?
Job 26:7Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin’ ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin’ ny tsy misy.
Psalms 89:10Hianao manapaka ny fisavoan’ ny ranomasina; Raha manonja ny alony, dia mampitsahatra azy Hianao.
Isaiah 44:23Mihobia, ry lanitra; Fa Jehovah no nanao izany; Manaova feo fifaliana ianareo, ry fitoerana lalina any ambanin’ ny tany; Velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary ianao, ry ala mbamin’ izay hazo rehetra ao; Fa Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba sy mampiseho ny voninahiny eo amin’ Isiraely.
Daniel 4:34Koa amin’ izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan’ ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin’ ny fiavonavonana dia hainy aetry.