Bokin'ny Salamo 9:13
Fa izay manadin-drà dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Mankalazà an’ i Jehovah, Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin’ ny firenena ny asany.
Cross References
Genesis 4:9Ary hoy Jehovah tamin’ i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Asa; moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?
1 Kings 21:19Koa mitenena aminy hoe: Izao no Jazain’ i Jehovah: Efa namono va ianao ka efa naka ho anao koa? Ary ianao dia hiteny aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Ao amin’ ny tany izay nilelafan’ ny alika ny ran’ i Nabota no hilelafan’ ny alika ny rànao, dia ny rànao tokoa.
2 Chronicles 24:22Toy izany no tsy nahatsiarovan’ i Joasy mpanjaka ny soa nataon’ i Joiada rainy taminy, fa namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty Zakaria, dia niteny hoe: Jehovah anie hijery sy hamaly izao.
Psalms 10:12Mitsangàna, Jehovah ô; Andriamanitra ô, atsangano ny tananao, aza manadino ny ory.
Psalms 13:3Mandra-pahoviana no mbola hisaintsainako am-panahy, sy hahalahelovako am-po isan’ andro? Mandra-pahoviana no mbola hisandratan’ ny fahavaloko ho amboniko?
Psalms 30:3Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.