Bokin'ny Salamo 90:2
Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Mamerina ny olona ho amin’ ny vovoka Hianao Ka manao hoe: Miverena, ry zanak’ olombelona.
Read all of Bokin'ny Salamo 90
Cross References
Genesis 1:1Tamin’ ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.
Job 15:7Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan’ ny tendrombohitra va ianao?
Job 38:4Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.
Psalms 33:9Fa Izy no niteny dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany.
Psalms 102:13Nefa Hianao, Jehovah ô, mipetraka manjaka mandrakizay; Ary ny fahatsiarovana Anao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby.
Psalms 102:25Hoy izaho: Andriamanitro ô; aza maka ahy an-tenatenan’ ny androko; Ny taonanao mihatra amin’ ny taranaka fara mandimby.