Bokin'ny Salamo 97:3
Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
A fire goeth before him, and burneth up his enemies round about.
In Context
2Rahona sy aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan’ ny seza fiandrianany.
4Mahazava izao tontolo izao ny helany; Mahita izany ny tany ka mihorohoro.
Read all of Bokin'ny Salamo 97
Cross References
Deuteronomy 4:11Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-bodin’ ny tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo manakatra ny lanitra, sady nisy aizina sy rahona ary aizim-pito.
Deuteronomy 5:4Niteny nifanatrika taminareo Jehovah tao an-tendrombohitra, tao amin’ ny afo.
Deuteronomy 32:22Fa arehitra ny afon’ ny fahatezerako, Ka mandoro hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, Sady mandevona ny tany mbamin’ ny vokatra ao aminy Ary mampirehitra ny fanambanin’ ny tendrombohitra aza.
Psalms 18:9Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
Psalms 50:3Avy Andriamanitsika ka tsy hangina; afo no mandevona eo alohany, ary tafio-drivotra mahery no manodidina Azy.
Daniel 7:10Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.