Apokalypsin'i Jaona 10:7
fa amin’ ny andro hitsofan’ ny anjely fahafito, rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra, araka ny teny soa mahafaly nambarany tamin’ ny mpaminany mpanompony
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 10
Cross References
Luke 24:44Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin’ ny lalàn’ i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo.
Romans 11:25Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan’ ny jentilisa;
Ephesians 3:3fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin’ ny teny fohifohy teo.