Apokalypsin'i Jaona 11:8
Ary ny fatiny hiampatra eny an-dalambe amin’ ny tanàna lehibe, izay atao, araka ny hevi-panahy, hoe Sodoma sy Egypta, sady tao koa no nanomboana ny Tompony tamin’ ny hazo fijaliana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 11
Cross References
Genesis 19:24Ary Jehovah nandatsaka tamin’ i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin’ i Jehovah tany an-danitra,
Exodus 3:7Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian’ ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony;
Psalms 78:43Izay nanaovany famantarana tany Egypta, sy fahagagana tany an-tany lemak’ i Zoana:
Isaiah 1:9Raha tsy nosisan’ i Jehovah. Tompon’ ny maro, olona vitsivitsy isika, Dia efa tonga tahaka an’ i Sodoma Ary nitovy tamin’ i Gomora.
Jeremiah 23:14Ary tamin’ ny mpaminanin’ i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan’ ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin’ ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an’ i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an’ i Gomora.
Ezekiel 16:53Ary hampodiko avy amin’ ny fahababoana ireny, dia Sodoma sy ny zananivavy, ary Samaria sy ny zananivavy mbamin’ izay olonao voababo,