Apokalypsin'i Jaona 12:8
nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And prevailed not; neither was their place found any more in heaven.
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 12
Cross References
Job 8:18Kanjo nony fongorany hiala amin’ ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.
Job 27:21Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa azy ka mipaoka azy hiala amin’ ny fitoerany;
Psalms 37:10Fa rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy ny ratsy fanahy; Handinika ny fonenany ianao, fa tsy ho hita izy.
Psalms 129:2Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora; Nefa tsy naharesy ahy izy.
Jeremiah 5:22Izaho va tsy atahoranareo? hoy Jehovah; Tsy mangovitra va ianareo eo anatrehako, izay nanao ny fasika ho fefin’ ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy azony hihoarana? Ka na dia mitopatopa aza ny onjany, dia tsy mahavaky azy, ary na dia mirohondrohona aza, dia tsy mahahoatra azy.
Acts 1:25mba hahazoany anjara amin’ izao fanompoana sy ny mah’ Apostoly izao, izay nialan’ i Jodasy hankanesany any amin’ ny fitoerany.