Apokalypsin'i Jaona 13:11
Ary hitako fa, indro, nisy bibi-dia iray koa niakatra avy tamin’ ny tany; ary nanan-tandroka roa tahaka ny an’ ny zanak’ ondry izy sady niteny tahaka ny dragona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 13
Cross References
Daniel 7:8Nodinihiko ny tandroka, ka, indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary novohana teo anoloan’ io ny tandroka telo tamin’ ireo taloha; ary, indro, nanana maso toy ny mason’ olona sy vava miteny zavatra mihoa-pampana izy.
Matthew 7:15Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ ny fitafian’ ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy.
2 Corinthians 11:13Fa Apostoly sandoka izy ireny, mpiasa mamitaka, ka dia mampiova ny endriny ho tahaka ny Apostolin’ i Kristy.
Revelation 11:7Ary rehefa tanteraka ny filazany, dia hiady aminy kosa ilay bibi-dia miakatra avy amin’ ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy.
Revelation 12:17Dia tezitra tamin’ ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin’ ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy mitana ny filazana an’ i Jesosy. Ary nitsangana teo ambonin’ ny fasiky ny ranomasina izy.
Revelation 16:13Ary nahita aho fa indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy tamin’ ny vavan’ ilay dragona sy tamin’ ny vavan’ ilay bibi-dia ary tamin’ ny vavan’ ilay mpaminany sandoka.