Apokalypsin'i Jaona 13:14
Ary mamitaka izay monina ambonin’ ny tany izy amin’ ny famantarana izay nomena ary hatao eo imason’ ny bibi-dia, sady milaza amin’ izay monina ambonin’ ny tany koa mba hanao sary ho an’ ny bibi-dia, izay voan’ ny sabatra, nefa velona ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 13
Cross References
2 Kings 20:7Ary hoy Isaia: Makà ampempan’ aviavy. Ary dia nalainy ka napetany tamin’ ny vay, dia sitrana izy.
2 Chronicles 18:21Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan’ ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaka ary, ka ataovy izany.
Isaiah 44:20Homan-davenona izy; Voafitaka ny fony ka nampivily azy, ka dia tsy mahavonjy ny fanahiny izy na mahalaza hoe: Moa tsy lainga va no eto an-tanako ankavanana?
Ezekiel 14:9Ary raha misy voataona ny mpaminany ka milaza zavatra, dia Izaho Jehovah no nitaona izany mpaminany izany; ary hahinjitro aminy ny tanako, ka hofongorako tsy ho eo amin’ ny Isiraely oloko izy.
Daniel 11:36Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin’ ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin’ Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no tsy maintsy hatao.
2 Thessalonians 2:9ny fihavin’ ilehiny dia araka ny fiàsan’ i Satana amin’ ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra