Apokalypsin'i Jaona 13:5
Dia nomena lela miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy izy, ary nomena fahefana mba hiasa roa amby efa-polo volana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 13
Cross References
Ezekiel 35:13Ary nanao teny miavonavona namely Ahy ianareo sy nanamaro ny teninareo namely Aha; efa reko izany.
Daniel 7:11Dia mbola nijery ihany aho noho ny feon’ ny teny mihoapampana notenenin’ ilay tandroka; eny, nijery aho ambara-pamono ny biby, ka nolevonina ny tenany, ary natao teo amin’ ny afo mirehitra izy.
Daniel 7:25Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin’ ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr’ andro iray sy ny fetr’ andro roa ary ny antsasaky ny fetr’ andro.
2 Thessalonians 2:4ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin’ ny tempolin’ Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra.
Revelation 11:7Ary rehefa tanteraka ny filazany, dia hiady aminy kosa ilay bibi-dia miakatra avy amin’ ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy.
Revelation 12:14Ary ilay vehivavy nomena ny elatra roa an’ ny voromahery lehibe hanidinany ho any an-efitra, ho any amin’ ny fitoerany, izay itaizana azy fetr’ andro iray sy fetr’ andro roa ary antsasaky ny fetr’ andro, mba tsy ho hitan’ ilay menarana izy.