Apokalypsin'i Jaona 16:11
dia niteny ratsy an’ Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainany sy ny vainy sady tsy nibebaka tamin’ ny asany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 16
Cross References
Ezra 1:2Izao no lazain’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany dia efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda.
Ezra 6:10mba hanaterany fanatitra ho hanitra ankasitrahana ho an’ Andriamanitry ny lanitra sy hivavahany mba ho ela velona ny mpanjaka mbamin’ ny zanany.
Ezra 7:21Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho amin’ ny mpitahiry ny haren’ ny fanjakana rehetra izay any an-dafin’ ny ony, fa na inona na inona no ilain’ i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay ny lalàn’ Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina izany,
Nehemiah 1:4Ary rehefa nandre izany teny izany aho, dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan’ Andriamanitry ny lanitra
Psalms 136:26Miderà an’ Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Daniel 2:44Ary amin’ ny andron’ ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’ olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.