Apokalypsin'i Jaona 16:21
Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin’ ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy an’ Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin’ ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Ary ny nosy rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony.
Read all of Apokalypsin'i Jaona 16
Cross References
Joshua 10:11Ary nony nandositra teo anoloan’ ny Isiraely teo am-pidinan’ i Beti-horona izy, Jehovah dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka nahafaty azy; ary be lavitra ny matin’ ny havandra noho izay novonoin’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny sabatra.
Isaiah 8:21Dia samy hivezivezy amin’ ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona ny mpanjakany sy Andriamaniny, ary dia hiandrandra;
Ezekiel 13:11koa lazao amin’ izay mandalotra azy amin’ ny feta tsy madity fa hirodana izy; hisy ranonorana mifafy; eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy; ary mifofofofoa ianareo, ry tafiodrivotra.
Ezekiel 38:21Dia hiantso sabatra Aho hamely azy eny amin’ ny tendrombohitro rehetra, hoy Jehovah Tompo: ary hifamely sabatra amin’ ny namany avy izy rehetra.
Revelation 11:19Ary novohana ny tempolin’ Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran’ ny fanekeny teo anatin’ ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.
Revelation 16:11dia niteny ratsy an’ Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainany sy ny vainy sady tsy nibebaka tamin’ ny asany.