The Bible Software
bible.software › Apokalypsin'i Jaona › Apokalypsin'i Jaona 18 › Apokalypsin'i Jaona 18:20

Apokalypsin'i Jaona 18:20

Mifalia noho izay zavatra nanjo azy ianao, ry lanitra, sy ianareo olona masìna sy ianareo Apostoly, ary ianareo mpaminany; fa Andriamanitra efa nitsara azy ka namaly azy noho ny taminareo.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Rejoice over her, thou heaven, and ye holy apostles and prophets; for God hath avenged you on her.

In Context

19Ary nanopy vovoka hiraraka tamin’ ny lohany izy, dia niantso sady nitomany sy nisaona ka nanao hoe: Indrisy! indrisy! ilay tanàna lehibe, izay nampanan-karena izay rehetra manan-tsambo eny amin’ ny ranomasina noho ny zava-tsaro-bidy tao aminy; fa tamin’ ny ora iray monja no nahafoana izany.

21Ary nisy anjely mahery anankiray nibata vato tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary, dia nanipy izany tany an-dranomasina ka nanao hoe: Hatsipy mafy toy izany no ho fandrava an’ i Babylona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony izy.

Read all of Apokalypsin'i Jaona 18

Cross References

Judges 5:31Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin’ ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.

Psalms 48:11Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao hatramin’ ny faran’ ny tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana.

Psalms 94:1Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata.

Psalms 107:42Hahita izany ny marina ka ho faly; Fa hihombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra.

Proverbs 11:10Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna; Fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny hoby.

Isaiah 44:23Mihobia, ry lanitra; Fa Jehovah no nanao izany; Manaova feo fifaliana ianareo, ry fitoerana lalina any ambanin’ ny tany; Velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary ianao, ry ala mbamin’ izay hazo rehetra ao; Fa Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba sy mampiseho ny voninahiny eo amin’ Isiraely.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)聖書 (日本語)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBiblia TakatifuBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)

Study Apokalypsin'i Jaona 18:20

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeAlbert BarnesJohn WesleyJohn CalvinScofieldWilliam BurkittFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Apokalypsin'i Jaona 18:19Apokalypsin'i Jaona 18Apokalypsin'i Jaona 18:21 →