Apokalypsin'i Jaona 19:12
Ary ny masony dia lelafo, ary tamin’ ny lohany nisy diadema maro; ary Izy manana anarana voasoratra, izay tsy misy mahalala akory afa-tsy ny tenany ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Ary miakanjo akanjo voafafy rà Izy; ary ny anarany atso hoe Ny Tenin’ Andriamanitra.
Read all of Apokalypsin'i Jaona 19
Cross References
Genesis 32:29Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin’ Andriamanitra sy tamin’ ny olona ianao ka nahery.
Judges 13:18Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Nahoana no manontany ny anarako ianao? Fa anarana mahagaga izany.
Song of Solomon 3:11Mivoaha, ry zanakavavin’ i Ziona, ka mijere an’ i Solomona mpanjaka, misatroka ilay satro-boninahitra nasatro-dreniny azy tamin’ ny andro nampakarany vady, dia tamin’ ny andro nifalian’ ny fony.
Isaiah 62:3Ka dia ho tonga satro-boninahitra eo an-tànany ianao sy satrok’ andriana eo am-pelatanan’ Andriamanitrao.
Matthew 11:27Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian’ ny Zanaka hanehoana Azy.
Matthew 28:18Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;