Apokalypsin'i Jaona 19:19
Ary hitako ilay bibi-dia sy ny mpanjakan’ ny tany mbamin’ ny miaramilany tafangona mba hiady amin’ ilay mitaingina ny soavaly sy amin’ ny miaramilany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 19
Cross References
Daniel 7:21Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany nanoto ny olo-masìna ka naharesy azy,
Daniel 11:40Ary amin’ ny faran’ ny andro dia hanoto azy ny mpanjakan’ ny atsimo; ary ny mpanjakan’ ny avaratra koa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra ka hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro; ary hiditra amin’ ny tany izy ka hanerana toy ny safotra.
Revelation 11:7Ary rehefa tanteraka ny filazany, dia hiady aminy kosa ilay bibi-dia miakatra avy amin’ ny lavaka tsy hita noanoa ka haharesy sy hahafaty azy.
Revelation 14:9Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin’ ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan’ ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ ny handriny na amin’ ny tànany,
Revelation 16:16Ary nangoniny ho any amin’ ny tany atao amin’ ny teny Hebreo hoe Hara-magedona ireny.
Revelation 18:9Ary ny mpanjakan’ ny tany, izay nijangajanga taminy sy niara-nanaram-po taminy tamin’ ny zava-mahafinaritra ny tena, dia hiteha-tratra sy hitomany ary, raha mahita ny setroky ny fandoroana azy;