Apokalypsin'i Jaona 19:2
Fa marina sy mahitsy ny fitsarana ataony; Fa nitsara ilay vehivavy janga lehibe Izy ― Dia ilay nandoto ny tany tamin’ ny fijangajangany ― Ary namaly ary noho ny ran’ ny mpanompony izay nalatsaky ny tànany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 19
Cross References
Deuteronomy 32:35Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy.
2 Kings 9:7Ary hamely ny tamingan’ i Ahaba tomponao ianao, mba hampanodiaviko an’ i Jezebela ny ran’ ny mpaminany mpanompoko sy ny ran’ ny mpanompon’ i Jehovah rehetra.
Isaiah 25:1Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin’ ny ela sady mahatoky no marina indrindra.
Revelation 15:3Ary mihira ny fihiran’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, sy ny fihiran’ ny Zanak’ ondry izy manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha; Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay.
Revelation 17:1Ary tonga ny anjely anankiray tamin’ izy fito izay nanana ny lovia fito, dia niteny tamiko nanao hoe: Avia atỳ; dia hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga lehibe, izay mipetraka eny ambonin’ ny rano maro,
Revelation 18:3Fa tamin’ ny divain’ ny fahatezerana noho ny fijangajangany no nahalavoan’ ny firenena rehetra, ary ny mpanjakan’ ny tany nijangajanga taminy, ary ny mpandranto amin’ ny tany tonga mpanankarena noho ny hafatratry ny nitiavan’ io ny zava-mahafinaritra ny tena.