Apokalypsin'i Jaona 19:4
Ary ny loholona elatra amby roa-polo sy ny zava-manan’ aina efatra dia niankohoka nivavaka tamin’ Andriamanitra. Izay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana, ka nanao hoe: Amena; Haleloia!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 19
Cross References
Nehemiah 5:13sady nanakopaka ny lambako teo am-pofoako aho ka nanao hoe: Ho tahaka izany anie no hanakopahan’ Andriamanitra ny olona rehetra izay tsy mahantanteraka izany teny izany hiala amin’ ny tranony sy ny vokatry ny asany; eny, hakopaka ka hofoanana tahaka izany anie izy. Ary ny fiangonana rehetra nanao hoe: Amena; sady nidera an’ i Jehovah izy. Ary dia nanao araka izany teny izany ny olona.
Psalms 41:13Ary ny amiko, dia manohana ahy amin’ ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay.
Psalms 89:52Dia ny nandatsan’ ny fahavalonao, Jehovah ô, Eny, ny nandatsany ny dian’ ny voahosotrao.
Jeremiah 28:6Eny, amena! hoy Jeremia mpaminany; hataon’ i Jehovah anie izany! hotanterahin’ i Jehovah anie ny teninao, izay novinaninao ny amin’ ny hampodiana ny fanaky ny tranon’ i Jehovah mbamin’ ny babo rehetra hiala any Babylona ka hiverina ho amin’ ity tanàna ity indray.
Matthew 28:20sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao.
Revelation 4:4Ary manodidina ilay seza fiandrianana iray dia nisy seza fiandrianana efatra amby roa-polo; ary teo ambonin’ ireo seza fiandrianana ireo dia nisy loholona efatra amby roa-polo nipetraka, nitafy fitafiana fotsy sady nisatroka satro-boninahitra volamena.