Apokalypsin'i Jaona 2:18
Ary soraty ho amin’ ny anjelin’ ny fiangonana any Tyatira: Izao no lazain’ ny Zanak’ Andriamanitra, Izay manana maso toy ny lelafo, ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 2
Cross References
Psalms 2:7“Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.
Matthew 4:3Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.
Matthew 27:54Ary ny kapiteny sy ny fehiny, izay niambina an’ i Jesosy, raha nahita ny horohorontany mbamin’ izay zavatra tonga teo, dia raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak’ Andriamanitra io Lehilahy io.
John 1:14Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ ny Lahitokana avy tamin’ ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.
John 3:16Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
John 3:35Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany.