Apokalypsin'i Jaona 20:13
Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 20
Cross References
Isaiah 26:19Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin’ ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin’ ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon’ ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty.
John 5:28Aza gaga amin’ izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ ny olona rehetra any am-pasana ny feony;
Revelation 1:18dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita.
Revelation 20:12Ary nahita ny maty aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ ny seza fiandrianana; ary novelarina ny boky; ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ ny fiainana izany; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ ny boky, araka ny asany.